« Fampihofanana fifampitondrana na hai-tondra mampandray anjara sy mampiaty »

« Fifampitondrana mampandray andraikitra sy mampiaty »

Inona izany ?
Ny atao hoe « Gouvernance » na « Fifampitondrana » dia ireo andian’ny fepetra sy fenitra ahazoana antoka fa hihodina tsara sy ho voafehy ny rafitra iray Fomba fiasa na fanao ny « GPI » ; dia mampandray anjara an-tsitra-po ireo olom-pirenena sy mpisehatra samy hafa anaty :
* Fomba fanapahan-kevitra
* Fomba fandrindrana asa
* Fomba fandrafetana lamin’asa
* Fomba fitadiavana sy fanangonana ny ho enti-manana
* Fomba fanatanterahana ny fandaharan’asa
* Fanaovana fizohiana sy tombana an’izany

Izany dia mba hampiroboroboana ny fampandrosoana, sy ny fitantanan-draharaha mahakasika ny vahoaka Lafiny roa no hahatsapàna ny fandraisana anjara raha ao amin’ity fomba fifampitondrana mampandray anjara sy mampiaty ity :
a) Fandraisana ny hevitry ny olona (Mpikambana, na mpisehatra na mpisitraka…) amin’izay ho atao, ny fomba hanaovana azy…
b) Fanomezam-pahefana ireo vondrona mety ho voahilika mba ahafahany mandray anjara fena sy mandray andraikitra avy hatrany eny amin’ny sehatra misy azy avy : Sahy hiteny, haneho hevitra, hanara-maso, hitoroka… ets. Ireo vehivavy, tanora ary ireo olona manana fahasamihafana no tena atosika hirotsaka an-tsehatra anatin’ny rindran’asa atao. Ny atao hoe « Fampiatiana » kosa dia mahakasika ny olona manana tsy fahafenoana, mahatonga hoe voasakana na sarotra tsy mba tsotra toy ny an’ny olon-drehetra maneran-tany
ny hahazoany ireo zavatra na servisy ilainy, na koa ny hahatongavany amin’ny toerana iray. Midika izany fa raha fomba fifampitondrana mampiaty, dia : mitandro ireo vitsy an’isa toy izany, ka matetika moa dia ireo olona manana fahasamihafana izany ; tsinjovina manokana ny momba azy ireny. Ny lalan-tsaina itondrana ny fomba fiasa dia : tsy hahilika amin’izay rindran’asa , na paik’adim-pampandrosoana. Fa indrindra kosa, mikaroka sy manome azy ireo, toerana hahafahany mivelatra ; hahafahany ihany koa, misitraka ireo zony, toy ny tsirairay tsy ankanavaka, ao anaty fiaraha-monina.

Inona ny mahatsara izany sy ny tombontsoa aterany ?
  • Voasolo tena araka ny tokony izy ireo mpisehatra rehetra ; misy ireo fomba fiasa isan-
    karazany miantoka fa ho eken’ny rehetra ny hetsika nosafidiana ho hatao. Mahazo faka
    ny fifampitokisana sy ny firaisan-kinan’ny rehetra. Vokatr’izany : hizotra tsara sy ho
    mari-toerana ny fiaraha-miasa.
  • Manova fihetsika sy fomba fijery ireo mpisehatra satria manome lanja sy hasina bebe
    kokoa ireo vehivavy izay afaka hijoro ho mpitarika, toy izany koa ireo olona manana
    fahasamihafana sy ireo tanora.
  • Mitsiry ao anatin’ilay rafitra ny toe-tsaina manaja zon’olombelona – Sarobidy sy
    manana ny ho lazainy ny tsirairay mpikambana anatin’ilay rafitra. Ireo voahilika kosa
    dia manjary ekena hizara ny fomba fijeriny.
  • Mihabo ny fahavitan-tena sy ny firotsahana an-tsehatr’ireo olona voahilika teo aloha
  • Mitombo ny fandraisan’anjaran’ireo mpikambana
  • Mitovy ny fahafahana mahazo izay ilaina sy ny servisy misy anatin’ilay rafitra
  • Resy lahatra sy vonona hivoy sy hirotsaka amin’ny fitakiana ny fangaharahana ary ny
    tamberin’andraikitra
  • Mahatsiaro tena ho tompon’ny sahan’asa tanterahina ny mpikambana ary vonona
    handray ny andraikitra takian’ny fiarovana ny tombotsoa iombonana

« Fampihofanana fifampitondrana na hai-tondra mampandray anjara sy mampiaty »

Antontolony :

Ny « fifampitondrana » dia mamaritra ireo andiana fepetra sy fitsipika ahafahan’ny rafitra iray mihodina sy voafehy araka ny tokony ho izy. Ny « fifampitondrana mampiaty sy handraisan’ny daholobe anjara » na koa GPI dia fomba fanao manetsika sy mampandray andraikitra an-tsitrapo ny olom-pirenena sy ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny rohy fandraisana fanapahan-kevitra, fametrahana rindran-damina, fenetsehana ireo hoenti-manana amin’ny fanatanterahana sy fanjohina ary fanombanana mba hampiroborobo ny fandrosoana sy ny fitondrana ny raharaha iombonana.

Ny fandraisana anjara ao anatin’ity fomba iray ity dia azo tarafina amin’ny lafiny roa izay hanamarihana fa ny olona dia nakàna hevitra. Mila hamafisina anefa fa mila maka ilay fahefana sy andraikitra feno izany, izany hoe: sahy miteny, mahay maneho hevitra, manaramaso, … Matetika ny vehivavy sy ny tanora no tena mila hampirisihana ao anatin’izany zotra izany.

Ny fampiatiana indray dia mifanaraka amin’ny fahazoana malalaka sy tsy misy fanointoinana ny olona manana tsy fitoviana amin’ny asa, toerana na zavatra iray tahaka ny olom-pirenena rehetra. Ny fomba « GPI » noho izany dia mitsinjo sy mandray an-tanana ny vitsy an’isa sy ny marefo ary ireo maharary azy indrindra indrindra fa ireo manana fahasembanana. Ny fenitra harahina dia tsy mamela anjorombala ireo sokaji’olona marefo ireo ao anatin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, ny famtrahana ireo paik’ady entina hampadroso, ary ny fametrahana habaka ahafahany manapakevitra, manana toerana hampiharany ny zo sahala amin’ny olompirenena rehetra ao anaty fiarahamonina.

Noho izany, natao ity Fampihofanana fifampitondrana na hai-tondra mampandray anjara sy mampiaty ity ho an’ny rafitra, firaisamonim-pirenena izay liana, sady misehatra eo amin’ny haitaky sy ny fampandraisana andraikitra ny vehivavy, tanora ary olona manana fahasembanana, eo anelanelan’ny janoary sy martsa 2022.

Tanjon’ny fampihofanana

  • Manolotra ireo fitaovana ahafahana manosika ireo hetsika mba hisian’ny fifampitokisana,
    tamberin’andraikitra ary firaisankina sy fiarahamientana mitohy sy mirindra.
  • Mampiditra ao anatin’ny fomba fanapahan-kevitra ireo vehivavy, tanora ary olona manana tsy fitoviana eo
    anivon’ny firaisamonim-pirenena.
  • Manome vahana ny fihovan’ny fihetsika sy ny fahatsapan’ny mpisehatra mba hanome lanja ny vehivavy eo
    amin’ny asa maha mpitarika azy miaraka amin’ny tanora sy ny olona manana tsy fitoviana.
  • Manome vahana ny fandraisana andraikitry ny olompirenena amin’ny raharaha iombonana amin’ny alalan’ny
    hay taky sy fandresen-dahatra eny anivon’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana sy ireo ratsa-mangaika
    mpanapa-kevitra.

Mari-drefy hifantenana :

 Sehatr’asa irotsahana : Ny vondron’ny firaisamonim-pirenenam-paritra mirotsaka amin’ny sehatr’asa
anatin’ireto lohahevitra 04 ireto no omena ny laharam-pahamehana thématiques :
Fandriampahalemana sy fifampitondrana na hai-tondra, planeta, ny mponina ary ny « firoboroboana
na prospérité »
 Lenta sy hadirin’ilay Fikambanana : Federasiona, Fikambanana, : Omena tombon-dalana ireo
vondrona nasionalyn na vondrom-paritra ivondronan’ny fikambanana 05 hatramin’ny folo, ary
mitontaly hatramin’ny 100 ny mpikambana ao aminy.
 Firafitry ny mpikambana : Fikambanan’ny firasamonim-pirenena ahitana tanora latsaky ny 35 taona
sy vehivavy amin’ireo mpikambana ao aminy.
 Ny mpikambana ao aminy dia afaka handray anjara amin’ny fiofanana 3 andro amin’ny fotoana
manelanelana ny Janoary sy Martsa 2021

Antontam-baovao hafa ilaina

 Firafitr’ireo tompon’andraikitra ao amin’ilay rafitra (Isan’ny lehilahy, ny vehivavy, ny tanora,)
 Karazan’ny sahan’asa efa notanterahina (Ny tanjona tamin’izany, iza no mpisitraka, avy aiza ny ho
enti-manana nampiasaina…sns.)
 Tanisao amin’ny andàlana vitsivitsy, inona no fikasàna na traikefa mikasika fampandraisana anjara
tamin’ny hetsika niombonana nanaovana adisisika na haitaky nandraisan’ny vehivavy anjara , ny
tanora, ny olona manana fahasembanana.

Ireto no tsy maintsy hita ao anaty antotan-taratasy fanehoana fahalinana :

 Taratasy fanambarana avy amin’ny vondrom-paritry ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena
manome toky fa ho hampihariny ny fenitra amin’ny haitondra na fifampitondrana mampandray
anjara sy mampiaty
 Taratasy maneho ny fahalinana sy manazava izany fahalinan’ny vondrom-paritry ny firaisamonim-
pirenena izany.
 Antontam-baovao mikasika ilay vondrom-paritry ny fikambanana firaisamonim-pirenena
nohavaozina ary narafitra araka ny « Base de données » ROHY ao amin’ny
www.rohymadagasikara.net .
Io dia alefa mailaka amin’ny adiresy : rohymadagasikara@gmail.com fara-fahatarany ny 23/12/2021,
alohan’ny 05ora hariva. Ny anton’ny mailaka dia mitondra ny fanamarihana hoe : « Fampihofanana OSC
mikasika ny hai-tondra mampandray anjara sy mampiaty »